Jesoa araka ny silamo
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jesoa dia heverin' ny fivavahana silamo ho mpaminany sahala amin' ny mpaminany Mohamady. عيسى ابن مريم /ʿĪsā ibn Maryam ("Jesoa zanak' i Maria") no anarana iantsoan' ny Mozilmana an' i Jesoa amin' ny teny arabo. Ny Kristiana arabo (any Palestina, any Siria, any Libàna, sns) anefa dia miantso an' i Jesoa hoe يسوع ابن مريم / Yasu' ibn Maryam. Mitantara ny Kor'any ao amin' ny andalana maro ny amin' ny fiteraham-birijiny an' i Jesoa izay noforonina araka ny didin' Andriamanitra hoe: "Misia"[1] sady notorontoronin' ny fofonain' Andriamanitra[2].
Ny fomba nanehoan' ny Kor'any an' i ʿĪsa dia mifanohitra amin' ny fanekem-pinoana novolavolain' ny Fiangonana kristiana nanomboka tamin' ny Kônsily voalohany tao Nikea sy ny firehena kristiana trinitariana vokatry ny kônsily ekiomenika fito. Ao amin' ny Kor'any, "ny Mesia Jesoa, zanak' i Maria, dia tsy inona fa irak' Andriamanitra, ny Teniny izay nirahiny ho any amin' i Maria, ary fofonaina avy aminy" (Soràta 4.171). Amin' ny maha mpanambara mialoha an' i Mohamady azy dia nitory ny finoana andriamanitra tokana madio izy, nanatanteraka fahagagana, nanasitrana, nanangan-ko velona ny maty ary "mahalala ny zava-miafin' ny fo". I Ibn Arabi dia manome azy ny anaram-boninahitra hoe "tombokasen' ny fahamasinana", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny fo", fa i Mohamady kosa no "tombokasen' ny mpaminany", "ny vavolombelona lehibe amin' ny alalan' ny lela"[3].
Ny fanehoana an' i Îsâ ao amin' ny Kor'any dia manome azy koa anjara asa eskatôlôjika[4]: ny fiverenany eto an-tany, amin' ny maha Mozilmana azy, no famantarana ny fahataperan' izao tontolo izao sy ny andron' ny fitsarana farany, fa hadita maro no maneho azy ho mpiara-dia lehibe amin' i Mahdi, Mpamonjin' ny andro farany.
Ahitana filazana mandà efatra momba an' i Îsâ ny ao amin' ny Kor'any, mba tsy hisian' ny shirk (fampikambanana ny tsy tokony hikambana)[3]: sady tsy Andriamanitra, no tsy zanany, no tsy iray amin' ny andriamanitra kamban-telo (triada)[5] (ny Trinite mantsy dia heverin' ny Mozilmana ho famantaran' ny fivavahana amin' andriamanitra maro), sady tsy nohomboana tamin' ny hazo fijaliana izy[6] satria tsy mendrika ny mpaminanany lehibe tahaka azy izany[3].
I ʿĪsā ao amin' ny Kor'any dia akaiky kokoa ny Nazôreana, hetsika miavaka noho ny fanarahana ny finoana sy ny didin' ny jodaisma sy ny lalàna jiosy ary ny fanekena an' i Jesoa ho Mesia, izay lazain' izy ireo fa "mpanompon' Andriamanitra", izay inoany fa olombelona sady mampita hafatra avy amin' Andriamanitra, nefa tsy manao azy ho Andriamanitra.