Fanekem-pinoana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanekem-pinoana na fiekem-pinoana dia lahatsoratra mamintina ny foto-pampianarana izay zava-dehibe indrindra tokony hinoana, natao ho tononin' ny mpino ampahibemaso mba hanambaràny sy hamaritany mazava ary hamintinany ny fototry ny finoany. Ny Jiosy sy ny Fiangonana kristiana sasany (katôlika sy ôrtôdôksa ary prôtestanta sasany) ary ny Silamo dia manana fanekam-pinoana.