Kônsily voalohany tao Nikea
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Kônsily voalohany tao Nikea na Kônsily voalohany tao Nisea dia fivoriamben' ny eveka (kônsily) natao tamin' ny taona 325 ka ny emperora Kônstantino I no nampiantso azy. Io no kônsily voalohany. Izany dia natao mba handraiketana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy ka hanoherana ny fampianaran' i Ariosy (arianisma) izay noheverina ho fampianaran-diso tamin' izany fotoana izany.
Ny tanjon' ilay kônsily dia ny hamahana ireo olana lehibe izay nampisara-bazana ny Fiangonan' ny Atsinanana avy eo, olana momba ny fitsipi-pifehezana ary indrindra olana momba ny tenim-pinoana nasongadin' ny fifanandrinan-kevitra teo amin' i Ariosy sy i Aleksandra avy any Aleksandria izay evekany.
Toutefois il faut noter l’absence au concile des donatistes et des novatiens.
Io no heverina ho kônsily ekiomenika voalohany tamin' ny kristianisma voalohany. Io, miaraka amin' ny Kônsily Voalohany tao Kônstantinôpla tamin' ny taona 381, no anisan' ny kônsily roa heverin' ny ankamaroan' ny Fiangonana Kristiana ho ekiomenika. Marihina anefa fa tsy tonga tao amin' ilay kônsily ny Dônatista sy ny Nôvatiana.
Notapahina tao amin' io kônsily io fa mitovy fomba (homoousia) amin' ny Ray ny Zanaka amin' ny maha Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka. Navoaka ny Fanekem-pinoana nikeana. Araka ny lovantsofina dia i Nikôlasy avy any Mira (izay fantatra amin' ny hoe Masindahy Nikôlà) sy i Spiridôna avy any Trimitônta dia nandray anjara betsaka tamin' io kônsily io.