Kônsily ekiomenika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kônsily ekiomenika dia kônsily na fivorian' ny eveka sy ny manampahefana ara-pivavahana rehetra ao amin' ny Fiangonana kristiana. Rehefa nisaratsaraka anefa ny Fiangonana kristiana nandritra ny tantaran'ny kristianisma dia nanohy nampiasa ny teny hoe kônsily ny Fiangonana katôlika na dia tsy nahafaoka ny Fiangonana kristiana manontolo izany fivoriana izany.
Ny Ôrtôdôksa, ohatra, dia tsy manaiky ny fahefan' ny kônsily ankoatr' ireo enina voalohany, nefa ny Katôlika dia manaiky ny kônsily ekiomenika efatra ambin' ny folo tamin' ny taonarivo faharoa, izany hoe kônsily ekiomenika miisa 21. Ny farany amin' ireo kônsily ireo dia ny Kônsily Vatikàna II izay novorina tamin' ny taona 1962 hatramin' ny taona 1965. Matetika ny mpitondra fanjakana tamin' ireo taonjato nifandimby no nampanao kônsily, fa ankehitriny kosa dia tsy miditra amin' izany ny fanjakana fa raharaha manokan' ny fivavahana izany.