Eskatôlôjia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny eskatôlôjia dia lahateny na fandinihana momba ny fiafaran' izao tontolo izao izay atao hoe koa andro farany. Ny teôlôjia sy ny filôzôfia dia samy ahitana firesahana momba ny andro farany sy ny zavatra hiseho amin' ny tantaran' izao tontolo izao na ny fiafaran' ny taranak' olombelona. Maro ny fivavahana miresaka ny amin' ny andro farany ka samy manana ny eskatôlôjiany izy ireo. Ny fantatra indrindra amin' izany dia ny an' ny kristianisma sy ny jodaisma ary ny finoana silamo. Mahakasika ny lohahevitra maro mifandray amin' ny andro farany toy ny amin' ny Mesia na ny vanim-potoana mesianika sy ny zavatra hiseho aorian' ny fahafatesana ary ny amin' ny fanahin' olombelona koa ny eskatôlôjia.
Ny ankamaroan' ny fivavahana mônôteista dia misy foto-pampianarana milaza fa ny mpivavaka voafidy na mendrika ny finoana marina dia hovonjena na hafahana amin' ny fitsaran' Andriamanitra sy ny fahatezerany amin' ny hoavy. Ho any am-paradisa izy ireo aloha na mandritra na aorian' io fitsarana io, arakaraka ny fampianarana.
Ny eskatôlôjian' izao rehetra izao (eskatôlôjia kôsmika) dia iresahana ny andro farany, sy koa indraindray ny fitsarana farany ary ny fitsanganana amin' ny maty. Ny eskatôlôjia isam-batan' olona kosa no iresahana ny fiainana aorian' ny fahafatesana, ny hiafaran' ny fanahin' olombelona aorian' ny fahafatesan' ny vatana (izay hiseho amin' ny endrika maro samihafa: fandalovana ao amin' ny Hadesy ho an' ny fivavahana grika taloha na ao amin' ny Sheôla ho an' ny Jiosy, ny fahatongavana ho nofo indray sns.)