Teôlôjia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny teôlôjia dia taranja na vondron-taranja atao hianarana sy hahalalana ny amin' Andramanitra, na ny amin' ny hoe "andriamanitra", amin' ny alalan' ny fandraisan' anjaran' ny fisainan' olombelona ho enti-manazava sy handaminana bebe kokoa izay zavatra fantatra tamin' ny alalan' ny fanambaràna ka miantefa amin' ny finoana.
Na dia tao amin' ny fivavahana kristiana aza no tena nahafantarana ny fanaovana teôlôjia dia maro koa ireo fivavahana manao teôlôjia ka isan' izany ny fivavahana silamo sy ny jodaisma. Tsy ny tontolon' ny fivavahana ihany no ahitana teôlôjia fa ahitana azy koa ny taranja filôzôfia toy ny sampan-taranja metafizika (dia ilay atao hoe ôntô-teôlôjia). Tsy ny fivavahana rehetra koa tsy akory no manaiky ny fanaovana teôlôjia fa misy ireo izay mitsipaka an' izany ka mihevitra fa tsy mety hifangaro amin' ny zavatra momba ny finoana na hanampy zavatra hafa tsy araka ny fanambaràna tokony hiantefa amin' ny finoana ny teôlôjia.
Amin' izao fotoana izao dia maro ny sekoly sy oniversite ianarana teôlôjia nefa ny sasany dia tsy miankina amin' antokom-pivavahana ka ny mpianatra sy ny mpampianatra ao dia tsy voatery ho olona mino.
Fomba fiasa voasaina[1] no entina manao ny fanakarana ny momba an' Andriamanitra sy ny manodidina azy ao amin'ny teôlôjia hany ka nisy fotoana tsy niaingan' ny mpanao teôlôjia tamin' ny Soratra Masina, izay vokatry ny fanambaràna, hanakarana ny tontolon' Andriamanitra fa tamin' ny fisainany irery ihany.