Tantaran' i Iràna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' i Iràna dia naharitra an' arivony taona, nanomboka tamin' ny sivilizasiôna fahiny tany amin' ny Lembalemba Iraniana, ny sivilizasiônan’ ny Maneana tany Azerbaijàna, an’ i Shahr-e Sokhteh ("Tanàna may") ao amin' ny faritanin' i Sistan-Baluchistan, ary ny sivilizasiôna tranainy Jiroft, arahin' ny Fanjakan' i Elama, avy eo ny Empira Akemenida, avy eo ny Partiana, avy eo ny Sasanida hatramin' ny Repoblika Islamika ankehitriny.
Izany tantaran' i Iràna izany dia voamariky ny vanim-potoana nifandimby teo amin' ny fanjakazakan' ny vahiny sy ny vanim-potoanan' ny fisondrotan' ny fahefam-panjakana iraniana, izay samy nozarazarain’ ny fanovana lalàm-panorenana lehibe.