Elama
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Elama dia faritra sy fanjakana tamin' ny Andro Taloha tao amin' ny tapany atsimo andrefan' ny Lembalemba Iraniana, manodidina ny faritanin' i Khuzestan sy ny faritanin' i Fars, izay mifanandrify amin' ny faritr' i Sosa (na Soza) sy Ansàna (na Anzàna). Elamita no fiantsoana ny mponina ao.
Miresaka momba ny tanin' ny Elamita ny lahatsoratra tamin' ny faran' ny taonarivo faha-4 hatramin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. ka mahafaoka zava-misy ara-jeôgrafia sy ara-pôlitika samihafa nandritra ny tantara lavany.
Nisy tarana-mpanjaka (dinastia) maro nifandimby nitondra tao nefa nisy fotoana nisian' ny fianakaviana niara-nitondra ary nisy koa fotoana nitambaran' ny fianakaviana maro nitondra (toy ny fianakavian' ny Sokalmà, ny an' ny Igehalkida, ny Sotrokida), indrindra tamn' ny taonarivo faha-2 tal. J.K. Mbola nisy sisa ny momba ny Elamita tamin' ny fiantombohan' ny taonarivo faha-2 taor. J.K. Ny tantaran' i Elamita dia saro-tsarahina amin' ny an' i Mesôpôtamia mifanakaiky aminy izay nanan-javatra naninteraka tao aminy.