Repoblika islamika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny repoblika islamika dia firenena misy lalàm-panorenana izay mametraka fa ny finoana silamo no fivavahana ôfisialin' ny fanjakana, na firenena hafa izay ampiharana ny didy aman-dalàna mozilmana ary ahitana ny anarana hoe Repoblika Islamika ny anarany ôfisialy.
Ny firenena mozilmana sasany dia tsy milaza fa fanjakana islamika ny fanjakana ao aminy, nefa mampihatra ny lalàna Sharia. Ny firenena mozilmana hafa indray dia mampiasa azy io ho fanondroana araka ny lalàna fotsiny ihany. Farany, ny firenena mozilmana sasany dia milaza manokana ny maha islamika ny fanjakana ao aminy sy ny fivavahany ary ny lalànany. Avy eo izy ireo dia mahafeno fepetra hantsoina hoe Fanjakana Islamika. Ny Repoblika Islamika dia ampahany amin' ny Fanjakana Islamika manana lalàm-panorenana izay mametraka ny finoana silamo ho fivavaham-panjakana na fivavaham-pirenena (fivavahan' ny vahoaka).