Sistan-o-Baluchestan
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Sistan o Baluchistan na Sistan-Baluchistan (persana: سیستان و بلوچستان) dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any atsimo-atsinanana amin' ilay firenena no misy azy, eo amin' ny sisintany amin' i Pakistàna sy amin’ i Afganistàna. Ny renivohiny dia i Zahedan, ary misy mponina 2,1 tapitrisa ny ao aminy. Izy no faritany faharoa lehibe indrindra ao Iràna, izay mirefy 181 600 km2. Amin’ ny prefektiora 26 ao amin' ilay faritany dia ao i Iranchahr, i Chabahar, i Khash, i Zabol, i Zahedan, i Saravan, ary i Nik Shahr.