Tantaran' i Ejipta Taloha
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' i Ejipta Taloha dia miavaka noho ny faharetan' ny andrim-panjakana sy andrim-piarahamonina napetraka hatrany am-piandohana ary, na dia tsy azo lazaina ho tsy nisy fiiovana tanteraka aza, dia nahatohitra ny vanim-potoana sarotra indrindra. Eo an-tampon' ireo andrim-panjakana ireo no nisy ny farao, izay sady mpanjaka no mpanelanelana tokana eo amin' ny olombelona sy ny andriamanitra, mpiantoka ny filaminana amin' ny korontana ivelany (mpanani-bohitra) na anatiny (korontana ara-piarahamonina).
I Ejipta tamin' ny Andro Taloha dia mifandraika amin' ny vanimpotoana teo anelanan' ny fiandohany sy ny taonjato faha-7 taor. J.K. Ny mpahay tantara dia mizara ny tantaran' i Ejipta tamin' ny Andro Taloha nanjakan' ireo faraôna (na farao) ho empira telo, dia ny Empira Voalohany sy ny Empira Antenatenany ary ny Empira Vaovao, izay elanelanin' ny vanimpotoana antenatenany nisian' ny fanjakà-mpanjaka maro dia maro. Rehefa mihamalemy ny fanjakana dia teraka ny fivakivakisana omban' ny loza isankarazany sy ny fananiham-bohitra ary ny fahantrana. Nifandimby amin' ny vanimpotoan' ny firoboroboana ny vanimpotoan' ny fahasahirananana atao hoe vanimpotoana antenatenany. Taorian' ny vanimpotoan' ny faraôna dia nisy ny Vanimpotoana Farany izay narakarahin' ny Vanimpotoana helenistika sy ny Vanimpotoana rômana ary ny Vanimpotoana bizantina.