Farao
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny farao na faraôna dia ny mpanjakan' i Egipta tamin' ny Andro Taloha. Ao amin' ny Baiboly dia lasa anaran-tsamirerin' ny mpanjakan' i Egipta ny teny hoe Farao na Faraôna. 345 ny isan' ny farao fantatra anarana izay nifandimby nanjaka nandritra ny taonarivo telo, teo anelanelan' ny taona 3150 tal. J.K. sy 30 tal. J.K. (taona nahataperan' ny fahaleovan-tenan' i Egipta izay azon' ny Empira Rômana). Sady mpanjaka ny farao no natao hoe koa andriamanitra sady mpisorona. Ny malaza indrindra amin' ireo farao ireo dia ilay resahina ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy ao amin' ny Baiboly, dia ilay mpanjaka voalaza fa nanohitra ny fikendren' Andriamanitr' i Mosesy sady heverina ho i Ramsesy II (na Ramesesy II).