Empira Vaovao tany Ejipta
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Empira Vaovao tany Ejipta na Fanjakana Vaovao tany Ejipta dia nanomboka tamin' ny taona 1550 tal. J.K. ka niafara tamin' ny taona 1075 tal. J.K. ary nahitana dinastia telo, dia ny dinastia faha-18 hatramin’ ny faha-20. Naharitra taonjato dimy ity empira ity. I Tebay no natao renivohitra. Nitondra amin’ ny fara tampony ny voninahitra sy ny tanjak’ i Ejipta ireo mpanjaka nanapaka tamin’ izany.