Ulrich Zwingli
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ulrich Zwingli na Huldrych Zwingli dia teôlôjiana soisa sady mpitarika ny Refôrmasiôna prôtestanta tany Soisa, teraka tao Wildhaus tamin' ny 1 Janoary 1484 ary maty tamin' ny 11 Ôktôbra 1531 tao Kappel am Albis. Niasa amin' ny maha pretra katôlika azy izy tao amin' ny paroasy maro, ka isan' izany i Glaeis sy i Einsiedeln izay niadiany tamin' ny fivavahana amin' i Maria (mariôlatria), talohan' ny hieritreretany fa ilaina ny hanaovana fanitsiana (na fanavaozana na refôrmasiôna) faobe ny Fiangonana. Tamin' ny taona 1523 izy dia nametraka ny fanavaozam-piangonana tao amin' ny tanànan' i Zurich.
Ny mampiavaka ny teôlôjian' i Zwingli dia ny fitsikerany ny fototra anorenana ny sakramenta: aminy ny batisa dia famantarana ary ny eokaristia dia fahatsiarovana, fa tsy misy fanatrehan' i Kristy. Rehefa tsy nahomby intelo ny kônferansa nataony handresen-dahatra ny mpitondra katôlika mba hanitsy ny Fiangonana katôlika iray manontolo dia nesorina daholo ny sary masina rehetra tao amin' ny fiangonan' i Zurich araka ny fanapahan' ny mpanapaka ny tanàna tao Zurich. Nanao izay hanjakan' ny refôrmasiôna eran' i Soisa i Zwingli sy ny mpomba azy, eny fa hatramin' ny fampiasana ny tafika miaramila aza nanoloana ny fanoheran' ireo tanàna tsy niala amin' ny maha katôlika azy sakaizan' i Aotrisy, ka izany no nahafaty azy rehefa resy an' ady tao Kappel ny tafika nisy azy.
I Zwingli no niandohan' ny fiforonan' ireo Fiangonana nohavaozina ao Soisa alemanika. Izy no filamatra ara-tantara eo amin' ny prôtestantisma liberaly.