Tanzania
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Tanzania dia firenena any Afrika Atsinanana, izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Indiana, izay manana velarana mirefy 945 100 km². I Dodoma no renivohiny, izay misy mponina 40 tapitrisa eo ho eo. Atao hoe Tanzaniana ny vahoakan' ity firenena ity.
Jamhuri ya Muungano wa Tanzania ((sw)) | |||||
The United Republic of Tanzania en | |||||
Repoblikan'i Tanzania ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Uhuru na Umoja (Fahefana sy firaisana) | |||||
Teny ofisialy | kiswahili, Anglisy | ||||
Renivohitra | Dodoma 6°11′0″S 35°44′5″E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Dar es Salam | ||||
Fitondrana sy governemanta - filoha - Pray mnistra |
Repoblika federaly Samia Suluhu Kassim Majaliwa | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 31 945 087 km² 6,2 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 33 40 213 162 mpo. 41,7 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Tanzanianina | ||||
IDH (2004) | ▲ 0,430 (ambany) faha 162 | ||||
Sandam-bola | Shilling tanzanianina (TZS ) | ||||
Faritr'ora | UTC +3 | ||||
Hiram-pirenena | Mungu ibariki Afrika | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+255
Endrika:Notes pays |
Ny tanin' i Tanzania dia ahitana ampahany ao amin' ny tanibe sy ampahany foronina nosy maromaro, ka ny lehibe amin' ireo dia i Zanzibar sy i Pemba ary i Mafia.
Lembalemba afovoan-tany no manjaka amin' ny vohon-taniny, izay mananana salan-kaambo mirefy 1 200 m. Ny avaratra-andrefana amin' io firenena io no misy an' i Kilimanjaro, izay tendrombohitra avo indrindra aty Afrika (5 895 m). Ony sy renirano maro no mamakivaky an' i Tanzania sady maro koa ny farihy hita ao (anisan' izany ny farihy Victoria ao avaratra, ny farihy Tanganyika ao andrefana, ny farihy Malawi ao atsimo-andrefana). Ny 40 %n' ny tanin' i Tanzania dia rakotra ala. Ahitana karazam-biby maro ny ao Tanzania, ka ny ampahefatry ny velaran-tany dia natokana ho tahirin-javaboary (isan' izany ny valan-javaboarin' i Serengeti) izay natao hiarovana ireo biby ireo.
Saika ny vahoaka tanzaniana manontolo no manam-piaviana banto. Ny 45 %n' ny mponina dia Kristiana fa ny 35 % kosa Miozolmana. Maro ihany koa ny manaraka ny fivavahan-drazana afrikana animista. Miozolmana daholo ny olona miaina ao Zanzibar.
Miompana amin' ny fambolena sy ny fiompiana ny toekaren' i Tanzania, ka isan' ny volena any ny kafe sy ny landihazo ary ny dite. Ny Shiling tanzanianina no vola miasa any. I Tanzania dia misy toerana fizahan-tany malaza.[1] Fantatry ny olona eran-tany i Tanzania amin' ny fisian' ny tendron' i Kilimanjarô sy ny fisian' ny Serengetti National Park. Azo jerena any Tanzania koa ny fôsilin' olombelona anisan' ny antitra indrindra any Afrika Atsinanana, hita tao amin' ny keok' i Olduvai.
Zanatany britanika taloha i Tanzania izay niforona tamin' ny alalan' ny fanakambanana an' i Tanganyika sy i Zanzibar tamin' ny taona 1964. Ny fiteny soahily sy ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialin' i Tanzania, ary miteny soahily na anglisy ny ankabeazan' ny mponina any.