Hara-magedôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Hara-magedôna na Harmagedôna dia toerana ara-paminaniana izay voalaza ao amin' ny Apôkalipsy ao amin' ny Baiboly fa hivorian' ireo tafika hiady any amin' ny andro farany. Io teny io dia midika hoe "tendrombohitr' i Megidô". Ny tendrombohitra na havoana atao hoe Megidô dia tsy tena tendrombohitra fa havoana nataon' olona nandritra ny taranaka maro nifandimby[1] izay nanorenana manda fiarovana mba hiambenana ilay lalana atao amin' ny teny latina hoe Via Maris ("Lalan' ny Ranomasina") izay lalan' ny mpivarotra tamin' ny Andro Taloha ka nampitohy an' i Egipta sy ny fanjakana any avaratra toa an' i Siria sy i Anatôlia ary i Mesôpôtamia.
I Megidô no toerana nitrangan' ny ady maro tany aloha ka isan' izany ny tamin' ny taonjato faha-15 tal. J.K. ary indrindra ny tamin' ny taona 609 tal. J.K. izay nandresen' ny farao atao hoe Nekaô II an' i Jôsia (na Jôziasy) mpanjakan' i Jodà sy nahafaty azy (2Tant. 35.22-24). Tamin' izany i Megidô dia havoana na toerana avo nisy manda fiarovana nataon' ny mpanjaka Ahaba na Akaba (869-50 tal. J.K.) izay manerinerina eo amin' ny lemak' i Jezrela[2].
I Megidô amin' izao fotoana izao dia tanàna miorina any amin' ny 40 km ao atsimo--atsinanan' ny tapany atsimon' ny Ranomasin' i Galilea, ao amin' ny lembalamban' ny renirano Kisôna ao Israely.[3]