Fiteny berbera
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny berbera dia vondrom-piteny, sampan' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika (na afrô-aziatika na afraziana) izay tenenin' ny olona monina amin' ny velaran-tany midadasika, dia i Afrika Avaratra hatrany Marôka ka hatrany Ejipta, mamakivaky an' i Aljeria sy ny Tonizia ary i Libia, ary i Sahara sy ny ampahan' i Sahel amin' ny tapany andrefana amin' i Afrika. Ahitana olona maro miteny berbera koa ny ao Malỳ sy ao Nijera[1].
Ny fiteny berbera dia atao hoe tamazight amin' ny fiteny berbera. ⵜⴰⵎⴰⵣⵉⵖⵜ amin' ny soratra tifinagh vaovao, ⵜⵎⵣⵗⵜ amin' ny soratra tifinagh toarega, Tamaziɣt amin' ny abidy latina berbera.
Ny Glottolog dia milaza fa miisa 27 ny fiteny berbera[2], ka misy fiteny maty ao amin' izany. Manana tarehin-tsoratra azy manokana ny fiteny berbera, dia ny tifinagh izay voatahirin' ny Toarega sady misy karazany ampiasaina ao Marôka.
Tsy misy fanisana ôfisialy momba ny mpiteny berbera, nefa mety ho eo anelan' ny 25 000 000 sy 30 000 000 ny isan' izy ireo[3].