Evanjelin' i Barnabà
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Evanjelin' i Barnabà na Evanjelin' i Barnabe na Filazantsaran' i Barnabasy dia asasoratra mitantara ny fiainan' i Jesoa nosoratan' olon-tokana na maro tsy fantatra anarana, izay tokony ho Mozilmana, ka mety avy tamin' ny loharanon-tsoratra tranainy kokoa nataon' ny Jiosy kristiana. Anisan' ny asasoratra pseodepigrafa ity evanjely ity, izay voalaza fa nosoratan' i Barnabasy mpianatr' i Jesoa[1]. Mety nosoratana tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Antenatenany, tamin' ny daty ao amin' ny taonjato faha-13 hatramin' ny faha-15[2] na tamin' ny faran' ny taonjato faha-16 ny lahatsoratra amin' ny teny italiana sy espaniôla. Amin' ny lafiny maro, indrindra momba ny firesahana ny amin' ny fiavian' i Mohamady (mpaminanin' ny silamo), dia mifanaraka amin' ny fiheveran' ny Mozilmana ny Testamenta Vaovao na ny Filazantsara io boky io[3].
Ity filazantsara ity amin' ny ankapobeny dia heverin' ny mpikaroka ho toy ny "fisolokiana masina" na "fisolokiana ara-pivavahana", natao taty aoriana elabe sy misandoka anarana, noho ny tsy fahadisoana ara-potona, ara-jeôgrafia, ara-tantara ary ara-piteny raketiny. Tsy mihevitra io boky io ho ambony lanja na latsa-danja noho ny evanjely kanônika kristiana ny Mozilmana, ary ny fikambanana silamo sasany dia mampiasa an' ilay boky mba hanohanan' izy ireo ny fiheverana silamo an' i Jesoa[4], ka io no ataon' izy ireo fa mirakitra ny marina momba ny fanomboana an' i Jesoa[5].