Bahaisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bahaisma na Baha'isma na Finoana baha'i na Finoana bahay dia finoana abrahamika mahaleo tena nentin' ny irak' Andriamanitra iray antsoina hoe Baha'u'llah. Fivavahana monoteista ny finoana bahay. Baha'i na Bahay no iantsoana ny mpanara-dia ity finoana ity. Mandala ny maha tokana an' Andriamanitra ny Baha'i. fivavahana abrahamika mitory ny maha iray ara-panahy ny olombelona rehetra ny finoana bahay. Ny mpino bahay dia milaza ny tenany ho mpikambana amina "fivavahana mahaleo tena"[1] .
Ilay Persana atao hoe Mīrzā Ḥusayn-ʿAlī Nūrī (1817-1892), izay atao hoe Baha'u'llah taty aoriana, no nanorina ny finoana bahay tamin' ny taona 1863. Ny anarana hoe Baha'u'llah dia midika hoe "Voninahitr' Andriamanitra" izay atao amin' ny teny arabo mitovy dika amin' io hoe Bahāʾ-Allāh. Mpianatr' i Bahāʾ-Allāh ny mpino bahay. Ny finoana bahay dia manana foibentoerana mihoatra ny 100 000 eran-tany ka ao Haifa any Israely no foibeny fara tampony. Tamin' ny taona 2011 dia niisa 7 000 000 any ho any ny mpino bahay izay avy amin' ny vahoaka na foko miisa 2 100 samihafa miparitaka amin' ny firenena 189 [2]. Ny ivontoerana ara-panahy, izay nanaovana fivahiniana masina (ziyarat) sady ivontoeran' ny fitantanan-draharaha dia ao Haifa sy ao Acra any Israely.