Vazimba
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Vazimba dia mponina teto Madagasikara, indrindra tany amin' ny faritra nentim-paharazana onenan' ny Merina sy Betsileo, Bara, Anjozorobe, talohan' ny nanjakan-dRabiby sy Andriamanelo (taonjato faha-16).
Rabiby sy Andriamanelo, mpanjaka jiosy maley mantsy no navahan' ny lovantsofina fa Jiosy sy Maley ary ireo olomainty mpanompony no angaralahy, fa ireo sisa efa nonina taty anivontany tamin' izany dia Vazimba. Ary Rabiby no nanenjika voalohany ny Vazimba sy nanosika azy handositra.
Ny Vazimba dia razamben' ny Malagasy tany aloha tany. Ny Vazimba dia manana ny hasina maha izy azy. Mbola tsy fatatra mazava anefa ny fiavian' izy ireo na avy aiza na aiza. Ireo razana malagasy dia natao ho ray aman-dreny ho fangataham-pitahiana.
Araka ny tantara, ireo mpitondra fanjakana jiosy tonga taty anivon'i Madagasikara (taty Imerina sy Ibetsileo) nanomboka ny taonjato faha-15 no nampiasa voalohany ny teny hoe vazimba mba hiantsoany ireo mponina efa tompontany taty anivon' ny riaka tamin' ny fahatongavany teto. Ohatra amin' izany, Rangita sy Rafohy izay renibeny dia voalazan' ny lovantsofina fa Vazimba. Toy izany koa, Rabiby raha nandao an' Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka (tato aoriana lasa Ambohidrabiby), ka nandroaka ireo mponina teo izay Vazimba no nahafantarany azy .
Arak' izany, ny hoe vazimba dia tsy teny hiantsoana firazanan' olona na fanahin' ny maty akory (araka ny filazan' ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan' ireo mpiavy an' ireo tompontany taty anivon' ny nosy raha tonga taty anivontany tamin' ny taonjato faha-16.
Manaporofo fa tena olona tokoa ireny Vazimba ireny dia i Rapeto sy Rasoalao dia Vazimba. Ary indrindra, ireo Antehiroka dia Vazimba avokoa.
Arak'izany, ny teny hoe vazimba dia saika nampiasaina manerana ny faritra anivon' i Madagasikara ary amin' ny sisintany andrefan' i Madagasikara satria ireo mpiavy sendra azy ireo dia saika nampiasa io anarana io avokoa hiantsoana ireo mponina efa teo.