Tontolo iainana eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tontolo iainana eto Madagasikara dia ny vondron' ny zavamananaina sy ny toerana misy azy eo amin' ny tontolo voajanahary eto Madagasikara. Misedra olana anefa izany tontolo iainana izany. Nisaraka tamin' i Afrika efa 100 tapitrisa taona mahery, ny nosy Madagasikara ka lasa nonenana biby sy zavamaniry tsy hita any amin' ny toeran-kafa: eo amin' ny 85 % amin' ny karazan-javamaniry ary 90 % amin' ny karazam-biby eto Madagasikara no tsy hita any amin' ny faritra hafa maneran-tany.