Toetanin-tanibe
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny toetanin-tanibe na toetrandron-tanibe dia toetany matetika ananan' ny faritra lavitra ny morontsiraka (lafy mitodika andrefana amin' ny tanibe) na mandray ny rivotra sy ny rotsak' orana avy ao anatin' ny tanibe (lafy atsinanana amin' ny tanibe) any amin' ny faritra manana laharam-pehintany antonony (40 hatramin' ny 55 avaratra). Ity toetany ity dia miavaka noho ny elanela-maripana isan-taona izay lebibe dia lehibe (mihoatra ny 20 °C): fahavaratra mafana sy ririnina mangatsiaka.