Tempolin' i Jerosalema
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tempolin' i Jerosalema, araka ny Baiboly, dia toeram-pivavahana naorin' ny Israelita tao Jerosalema mba hampitoerana ny Fiaran' ny fanekena. Noravan' ny tafik' i Babilôna izy ary natsangana indray teo ambany fitarihan' i Ezra (na Esdrasa) fitopolo taona taty aoriana ary farany naravan' ny Rômana tanteraka tamin' ny taona 70 taor. J.K.
Hita ao amin' ny Bokin' ny Mpanjaka ao amin' ny Baiboly ny antsipiriany momba ny Tempoly voalohany. Nampahafantarin' Andriamanitra mialoha ny mpanjaka Davida fa ny taranany no hanamboatra io tempoly io, araka ny Boky faharoan' i Samoela (2Sam. 7), ary vita izany tamin' ny andro nanjakan' i Sôlômôna izay nanatanteraka ny fanorenana araka ny toromarika nomen' Andriamanitra. I Hirama, mpanjakan' i Tiro (na Tira) no nanome ny hazo sedera sy kipresy sy ny volamena ary ny olona ilaina amin' ny fanamboarana ny tempoly.
Ny anarana omena ny tempoly ao amin' ny Baiboly hebreo dia Beit IHVH ("Tranon' i Iahveh") na Beit HaElohim ("Tranon' Andriamanitra") na Beiti ("Tranoko") na Beitekhah ("Tranonao"). Ao amin' ny literatiora rabinika dia atao hoe Beit HaMikdash ("Trano Masina" na "Tempoly Masina") ny tempoly.