Soratra Masin' ny Olomasin' ny Andro Farany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Misy efatra ny boky heverin' ny Olomasin' ny Andro Farany ho Soratra Masina, sady inoan' ny mpikambana ao fa vokatry ny tsindrimandry avy amin' Andriamanitra, dia ny Baiboly, ny Bokin' i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana; ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ekeny ho anisan' ny Soratra Masina ireo boky telo farany ireo, izay an' ny Olomasin' ny Andro Farany manokana, noho izy ireo mino ny fitohizan' ny fanambaràn' Andriamanitra.