Rosiana (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Rosiana dia vondrom-poko slava tatsinanana teratany any Eorôpa Atsinanana, izay mitovy razambe, kolontsaina ary tantara. Ny fiteny rosiana, izay fiteny slava be mpampiasa indrindra, no tenin-dreny iraisan' ny Rosiana; ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahan' ny ankamaroan' izy hatramin' ny niforonan' ny maha Rosiana azy ireo tamin' ny Andro Antenatenany. Izy ireo no vahoaka slava lehibe indrindra ary vahoaka eorôpeana lehibe indrindra.
Ny Rosiana dia niforona avy amin' ny fokom-pirenena slava atsinanana, ary ny kolontsain' ny razany dia miorina ao Rosin' i Kiev. Momba ny fototarazo, ny ankamaroan' ny Rosiana dia mitovy amin' ny an' ny Slava Tatsinanana mitovy aminy, fa tsy toy ny Rosiana Avaratra, izay mitovy fototarazon' ny vahoaka baltika. Ny teny rosiana ampiasaina hanondroana ny Rosiana dia avy amin' ny anaran' ny mponin' i Rosy (Rus') sy ny tanin' i Rosy. Ny Rosiana dia mizara toetra ara-tantara sy ara-kolontsaina maro amin' ny Eorôpeana hafa, ary indrindra amin' ireo vondrom-poko slava atsinanana hafa, indrindra ny Belarosiana sy ny Okrainiana.
Ny ankamaroan' ny Rosiana dia mipetraka ao Rosia, fa misy vondrona madinika koa miparitaka manerana ny firenena hafa avy amin' ny Firaisana Sôvietika toa an' i Belarosia, i Kazakstana, i Môldavia, i Okraina ary ny firenena baltika (Estônia sy Letônia ary Litoania). Nisy diaspôra rosiana lehibe iray (indraindray anisan' izany ireo tsy miteny rosiana), tombanana ho eo amin' ny 25 tapitrisa eo ho eo, no niforona manerana an' izao tontolo izao, izay misy isa tsy azo tsinontsinoavina any Etazonia, any Alemaina, any Brezila ary any Kanada.