Ray Apôstôlika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Ray Apôstôlika, ho an’ ny Kristiana, dia ireo mpianatra sy mpandimby ny Apôstôly roa ambin' ny folo. Anisan' ny Rain' ny fiangonana ny Ray Apôstôlika. Ny mpanoratra literatiora kristiana tamin’ ny fiteny grika sady maty maritiry ihany ary ireo tena nalaza tamin' ny taonjato voalohany sy faha-2 no tondroina indrindra amin' ny hoe Ray Apôstôlika. Ny soratr' izy ireo dia tsy nampidirina ho anisan' ny boky ao amin' ny Baiboly nefa heverina fa fitohizan' ny soratry ny Apôstôly mamorona ny kanônan’ ny Testamenta Vaovao sady loharano saro-bidy amin' ny fahafantarana ny tantaran' ny fiangonana. Anisan' ny atao hoe nosoratan' ireo Ray Apôstôlika ny boky ata hoe Didake, izay atao amin' ny teny grika hoe Διδαχή / Didakhê ("Fampianarana" izany hoe fampianaran' ny Apôstôly roa ambin' ny folo) nefa tsy fantatra izay nanoratra azy. Ireto avy ireo Ray apostolika ireo: i Klemento avy any Rôma, i Ignatiôsy avy any Antiôkia, i Pôlikarpôsy avy any Smirna ary i Papiasy avy any Hierapôlisy.