Pôlinezia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Pôlinezia dia faritra ao amin' ny tapany atsinanana amin' i Ôseania izay ahitana nosy maro dia maro. Ny nosy sy ny tamba-nosy mamaritra ny sisiny dia ny tambanosin' i Hawaii ary avaratra, ny Nosin' ny Paska any atsinana ary Zelanda Vaovao (New Zealand, Aotearoa) any andrefana.
Avy amin' ny teny grika hoe πολύς / polús ("maro") sy νῆσος / nễsos) ("nosy") ny teny hoe Pôlinezia ka midika ara-bakiteny hoe "nosy maro".
Miteny amin' ny fiteny aostrôneziana ao amin' ny zana-bondrom-piteny ôseaniana, atao hoe fiteny pôlineziana, ny Pôlineziana.