Matio
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Matio na Matio Levy dia isan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo nanaraka an' i Jesoa Kristy. Araka ny lovantsofina kristiana dia izy no nanoratra ny Filazantsara voalohany ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana. Tsy mitonon-tena ho nanoratra ny Filazantsara araka an' i Matio anefa izy. Talohan' ny naha Apôstôly azy dia mpamory hetra no asany.