Matia (apôstôly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Matia na Matiasy, araka ny Asan' ny Apôstôly ao amin' ny Testamenta Vaovao, no nofidin' Andriamanitra tamin' ny alalan' ny filokana nataon' ireo Apôstôly mba hisolo an' i Jodasy Iskariôta taorian' ny namadihan' ity farany an' i Jesoa na Jesosy sy ny fahafatesany taorian' izany. Atao hoe Μαθθίας / Maththías izy amin' ny teny grika fa מַתִּתְיָהוּ / Mattiṯyāhū kosa amin' ny teny hebreo, ary ⲙⲁⲑⲓⲁⲥ / Mathias amin' ny teny kôpta. Maty tamin' ny taona 80 taor. J.K. i Matia. Miavaka ny fiantsoana azy ho apôstôly, satria tsy nataon' i Jesoa manokana izay efa niakatra tany an-danitra ny fanendrena azy, ary talohan' ny nidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny Fiangonana tany am-boalohany ihany koa no nanaovana izany.