Maria (renin' i Jesoa)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Maria na Maria avy any Nazareta dia vehivavy jiosy avy any amin’ ny faritany rômanan' i Jodea ary renin’ i Jesoa avy any Nazareta. Izy dia olona manan-danja amin' ny kristianisma, indrindra ho an' ny Ôrtôdôksa sy Katôlika, izay manome azy ny anaram-boninahitra hoe "Renin' Andriamanitra" ary manonona azy amin' ny anarana hoe "Masina Maria", "Maria Virjiny", "Virjiny Masina" sns. Atao hoe ܡܪܝܡ / Maryam izy amin' ny teny arameana; מרים / Myriam amin' ny teny hebreo; Μαρία / María na Μαριάμ / Mariám amin' ny teny grika; ary مريم / Maryam amin' ny teny arabo.
Tahaka ny amin’ i Jesoa zanany, ny maha ara-tantara ny fisian' i Maria dia sarotra fantarina. Ny ankamaroan' ny lovam-pampianarana dia hita ao amin' ny literatiora apôkrifa, izay matetika manitatra ny lohahevitra hita ao amin' ny lahatsoratra kanônika ao amin' ny Testamenta Vaovao.
Ao amin' ny Eglizy Katôlika sy Ôrtôdôksa, i Maria dia omem-boninahitra bebe kokoa noho izay atao amin' ny olo-masina hafa sy ny anjely, izay teboka manan-danja amin' ny tsy fitoviana amin' ny prôtestantisma. Io fanoloran-tena amin' i Maria io dia niseho hatramin' ny niandohany amin' ny alalan' ny fanehoana an' i Maria ao amin' ny sary masina kristiana, amin' ny alalan' ny fankalazana ny fety maro antokana ho an' i Maria ao amin' ny tetiandro litorjika, ary amin' ny alalan' ny fananganana fitoerana masina sy trano natokana ho azy.