Manila
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Manila (Lungsod ng Maynila amin’ ny fiteny tagalôgy) dia tanàna renivohitr’ i Filipina. Ny isam-poniny dia dimy ambin’ ny folo tapitrisa; ary izy no tanàna lehibe indrindra ao Filipina. Ny tanànan-dehiben’ i Manila, miisa eo amin’ ny roapolo tapitrisa mponina eo ho eo, dia anisan’ ny tanàna lehibe indrindra eto amin’ izao tontolo izao. Ny renivohi-pirenena, antsoina koa hoe Metro Manila, dia tsy ao amina renivohitra fa mizaka-tena. Ireo tanàna akaikin’ i Manila dia i Quezon City any avaratra-andrefana, i Caloocan ary i Navotas any avaratra, i San Juan ary Mandaluyong any atsinanana, ary i Makati City any atsimo.