Madiana
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Madiana na Midiana dia firenena tao amin' ny tapany avaratra-andrefan' ny Saikanosin' i Arabia, ao atsinanan' ny Helodranon' i Akaba; voafetran' i Edôma ao avaratra, ireo fanjakan' i Arabia ao atsimo. Atao hoe מִדְיָן / Mīḏəyān izy amin' ny teny hebreo fa مَدْيَن / Madyan; kosa amin' ny teny arabo ary Μαδιάμ / Madiam) amin' ny teny grika.
Nisy tanàna atao hoe Midiana na Madiana tao atsinanan' ny Hoalan' i Aqaba, izay heverina fa i Al-Bad any Wedi ʿAfal. Ny firenen' i Madiana dia mety faritra manodidina io tanàna io sady vakivakin' ny arabe roa lehibe falehan' ny mpanao raharaham-barotra.
Toerana ara-jeôgrafia resahina ao amin' ny Baiboly sy ny Kor'any i Madiana. Milaza i William G. Dever fa i Midiana resahina ao amin' ny Baiboly dia ao avaratra-andrefana amin' ny Saikanosin' i Arabia, ao amin' ny torapasika atsinanan' ny Hoalan' i Aqaba ao amin' ny Ranomasina Mena, izay faritra izay lazainy fa tsy nonen' olona maro talohan' ny taonjato faha-8 sy faha-7 tal. J.K.