Môrmônisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny môrmônisma dia ny foto-pampianaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Izany foto-pampianarana izany dia ahitana ny Teti-pamonjena izay misy vondron-dalàna voalamina, ôrdônansa mandrakizay, ireo lalàna ireo no rafitra entin' Andriamanitra mitantana ny fanjakany. Ny Olomasin' ny Andro Farany dia mino ny fisian' ny Teti-pamonjena izay ahafahan' ny olona mendrika hiverina eo anatrehan' Andriamanitra. Atao hoe "Filazantsaran' i Jesoa Kristy" ny teôlôjian' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Fampianarana avy amin' ny fanambaràn' i Jesoa Kristy izay miendrika firafetan-dalàna sy didy mandrakizay izany ka ny olona manaraka an-tsakany sy an-davany an' izany dia mahazo antoka fa hiditra eo amin' ny fanatrehan' Andriamanitra. Ireo lalàna sy didy ireo no lamim-pitondrana ao amin' ny fanjakan' Andriamanitra. Ho voavonjy avokoa ao amin' ny Fanjakam-boninahitra ny olona rehetra fa tsy voatery ho ao amin' ny Fanjakan' ny Lanitra.