Kleôpatra VII
From Wikipedia, the free encyclopedia
Kleôpatra VII na Kleôpatra VII Filôpatôra na Kleôpatra VII Tea Neôtera Filôpatrisy dia mpanjakavain' i Egipta avy amin' ny dinastia lagida nanjaka tamin' ny taona 69 hatramin' ny taona 30 tal. J.K. niaraka tamin' ireo vady sady anadahiny, dia i Ptôlemaiôsy XIII sy i Ptôlemaiôsy XIV, avy eo niaraka tamin' ilay jeneraly rômana atao hoe Marko Antônio (latina: Marcus Antonius).
Kleôpatra VII | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Kleôpatra VII | ||
Teraka | 1 Ôktôbra 68 tal. J.K. | ||
Maty | 10 Aogositra 29 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : |
| ||
Fiainana manokana | |||
Teraka tamin' ny taona 69 na 68 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 30 na 29 tal. J.K. Amin' ny teny grika dia atao hoe Κλεοπάτρα Θεὰ Φιλοπάτωρ / Kleopatra Theà Philopatôr (izay midika hoe "Kleôpatra Andriamanibavy Tia Ray"); avy eo Θεὰ Νεωτέρα Φιλοπάτριϛ / Theà Neôtera Philopatris (izay midika hoe "Andriamanibavy Tia ny Tanindrazany"). I Ptôlemaiôsy XII Aoletesy no rainy. Ny vadiny dia i Ptôlemaiôsy XIII Teôsy Filôpatôra, i Ptôlemaiôsy XIV, ary i Marko Antônio. Ny zanany dia i Kaisariôna, i Kleôpatra Selena II, I Aleksandra Heliôsy, ary i Ptôlemaiôsy Filadelfôsy.
Nandray anjara tamin' ny ady an-trano nifanandrinan' i Marko Antônio amin' i Ôktavo i Kleôpatra ka resy tamin' ny ady tao Aktioma tamin' ny taona 31 tal. J.K. Izany fahareseny izany dia nahafahan' ny Rômana nanafika sy naka an' i Egipta, ka tapitra teo ny vanimpotoana helenistika. Malaza noho ny nisakaizany tamin' i Jolio Kaisara avy eo tamin' i Marko Antônio, izay samy niterahany, i Kleôpatra VII.