Kambôdia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kambôdia, na Kambôja, na Fanjakan' i Kambôdia, na Fanjakan' i Kambôja dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana, miisa 15 tapitrisa ny Kambôjianina (na Kmera). Ny renivohiny dia i Phnom Penh.
((km)) | |||||
Preăh Réachéanachâkr Kâmpŭchea km- | |||||
Kambôdia na Kambôja ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Firenena, Finoana, Mpanjaka | |||||
Teny ofisialy | kimera | ||||
Renivohitra | Phnom Penh 11°33′N 104°55′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Phnom Penh | ||||
Fitondrana sy governemanta - Mpanjaka - Praiminisitra |
Fanjakana ara-dalampanorenana Norodom Sihamoni Hun Manet (2023-) | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 89 181 035 km² 2,5 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 65 14 494 293 mpo. 72,5 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kambôjianina | ||||
Sandam-bola | Riel (KHR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +7 | ||||
Hiram-pirenena | Noko-Reach | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+855 |
Atao amin' ny fiteny kmera hoe Preăh Réachéanachâkr Kâmpŭchea, na Srok Khmer midika "firenen' ny Kmera" ity firenena ity.
I Kambôdia dia ny firenena nandimby ny Empira Kmera hindoista sy bodista nanjaka tao Indôsina eo anelanelan' ny taonjato faha 10 sy ny taonjato faha 14. I Kambôdia dia mizara sisin-tany amin' i Tailandy any andrefana sy any avaratra-andrefana, miaraka amin' i Laôsy any avaratra-atsinanana ary miaraka amin' i Vietnamy any atsinanana sy any atsimo-atsinanana.
Ny olom-pirenenan' ilay firenena dia mitondra ny anarana hoe Kambôjiana na Kambôdiana na Kmera noho ny foko kmera maro anisa ao Kambôdia. Ny ankabeazan' izy ireo dia manaraka ny fivavahana bodista teravada. Misy koa ny mozilmana ary ao amin' ny foko Cham ny ankabeazany, ary misy koa ny kristianina avy amin' ny vahoaka monina any atsinanana.