Johann Tetzel
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Johann Tetzel dia dominikana alemàna teraka tao Pirna any Saksonia tamin'ny taona 1465 ary maty tany tamin'ny taona 1519. Tetzel Hans Diedtz no tena anarany. Nalaza tamin'ny fivarotana endolzansy (na indolzansa) hamatsiam-bola ny fanamboarana indray ny bazilika Masindahy Piera ao Roma izy. Nianatra tao amin'ny oniversiten'i Leipzig izy. Azony ny mari-pahaizana doktorata amin'ny teolojia tamin'ny volana Mey 1518 tao anatin'ny fotoana nivarotana endolzansy.