Horohorontany any Yushu tamin'ny 2010
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny horohorontany tamin'ny taona 2010 tany Yushu dia horohorontany nitranga tao amin'ny faritan'i Qinghai (faritany tibetanina) tao amin'ny faritanin' Yushi tamin'ny 14 Aprily 2010 tamin'ny 7 ora 49, ora tany an-toerana[1],[2]. Ny herin'ilay hororohontany dia eo anelanelan'ny 6,92[3],[4] (USGS, EMSC) sy 7,1[5] Mw.
Ity pejy ity dia pejy manirery ary tokony asiana rohy manketo ny pejy hafa. (Aprily 2010) Asio rohy manketo ny lahatsoratra hafa misy fifandraisana amin'ny lazain' ity lahatsoratra ity. |
Ny tsinjarafintina ho an'io loza io tamin'ny 17 Aprily dia olona maty miisa 2 039, olona maratra 12 315 ary trano maromaro potika[6]. Ny afovoan'ilay horohorontany dia ao amin'ny tanànan'ny Rima (日瑪村)[7],[8] ao amin'ny kaominin'i Shang Laxiu (上拉秀鄉) any amina faritany lavitra ary be vato, eo akaikin'ny faritan'ny faritra mizaka-tenan'i Tibeta, 30 kilometatry ny tanànan'ny Gyêgyu, sezan'ny distrikan'i Yushu[9], ay 240 kilometatry miala avy ao Qamdo[10]. Ao amina havoana tibetana tsy dia be mponina izy, toerana matetika voakasiky ny horohorontany[11].