Fivavahana ao Angôla
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivavahana ao Angôla dia isankarazany nefa ny kristianisma no arahin' ny maro anisa. Manodidina ny 97 % amin' ny mponina (miisa 34 tapitrisa ny Angôley tamin' ny taona 2022) no Kristiana. Misy vondrom-piarahamonina ara-pivavahana miisa 1 000 eo ho eo ny ao Angôla, ka ny ankamaroany dia kristiana. Hita ao Angôla ny Katôlika, ny Prôtestanta, ny fivavahan-drazana ary ny tsy manana fivavahana arahina.