Fiteny soedoà
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny soedoà (amin' ny teny soedoà: svenska ) dia fiteny jermanika tenenina any avaratr' i Eorôpa. Ny isan' ny olona miteny io fiteny io dia folo tapitrisa; ny ankabeazan' ny mpiteny soedoà dia any Soeda ary misy fianakaviam-be vitsivitsy any Finlandy, ireo firenena ireo mampiasa ny fiteny soedoà ho teny ôfisialy.
Ny fiteny soedoà dia fiteny mitovitovy endrika amin' ny fiteny nôrveziana sy ny fiteny danoà, ary mety mifankahazo ny olona mampiasa ireo fiteny telo ireo. Ny anton' ny fifankahazoana eo amin' ny mpiteny soedoà sy danoà ary nôrveziana dia noho ireo fiteny ireo samy avy amin' ny fiteny nôrsa taloha, fiteny tenenin' ny vahoaka jermanika tany Skandinavia nandritry ny andron' ny Vikingy.
Ny fiteny soedoà tsotra, tenenin' ny ankabeazan' ny olom-pirenena soedoà, dia tenim-pirenena avy amin' ny endrika maromaron' ny fiteny soedoà notenenina tao amin' ny faritra afovoany tamin' ny taonjato faha-19 hatramin' ny fanombohan' ny taonjato faha-20. Ny fiteny soedoà soratana dia iray ihany, fa ny fiteny soedoà tenenina dia arakaraky ny faritra isiana. Ny endrilky ny fiteny soedoà sasantsasany dia mety samihafa be amin' ny fiteny soedoà tsotra na amin' ny lafin' ny fitsipi-pitenenana na amin' ny lafin' ny voambolana ampiasaina, ary mety tsy mifanitsy amin' ny fiteny soedoà tsotra izy. Ireo fiteny sarotra azo ireo dia voafetra amina faritra any ambanivohitra ary vitsivitsy ihany ny isan' ny olona miteny azy. Ankehitriny ny ankabeazan' ny fitenim-paritra dia mitady ho very ka amporisihin' ny governemanta sy ny fahefana ny soedoà hitenenana ny fitenim-paritra.
Ny rafitry ny fehezanteny dia Mpanao-Matoanteny-Fameno, fa mety ovaovaina izy arakaraky ny teny ampiasaina sy ny fehezanteny; mitovitovy amin' ny teny anglisy ny endriky ny fiteny soedoà, fa betsabetsaka kokoa noho ny teny anglisy ny fiovan' ny teny. Misy karazan-teny roa, tsy misy fiovana ara-pitsipi-pitenenana, misy fiovan-teny arak' isa (nombre). Betsaka ny isan' ny zanapeo amin' ny fiteny soedoà ary matetika izy ireo mifanakaiky.