Fifandimbiasana apôstôlika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fifandimbiasana apôstôlika dia fampitan' ny Apôstôly tamin' ny mpandimby azy ireo ny fahefana azony avy tamin' i Jesoa. Ireo mpandimby ny Apôstôly ireo ihany no afaka mampianatra sy mitantana ny fiangonany avy. Ny fifandimbiasana apôstôlika dia miampita amin' ny alalan' ny fanamasinana sy fanokanana ataon' ny eveka izay voafaritry ny lalàna (kanôna) sasany ny fananany hery. Izany dia fiheverana manokana misy ao amin' ny kristianisma ka mahatonga ny Fiangonana katôlika sy ôrtodoksa tsy hanaiky ny asa na ny fahefan' ny mpitondra fiangonana amin' ny fiangonana kristiana hafa (ny fiangonana antekalkedôniana sy ny fiangonana maro nateraky ny refôrmasiôna prôtestanta).