Fandroana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fandroan' andriana na Fandroana dia firavoravoana anaovana fampandroana masina ny andriana tao amin' ny Fanjakana Merina ao afovoan' i Madagasikara izay tanterahina amin' ny fiandohan' ny volana Alahamady. Araka ny lovantsofina dia ny mpanjaka Ralambo tamin' ny taonjato faha-15 no nanomboka izany fanao izany, nefa ny fandinihana ny fomba amam-panaon' ny mponina any Azia Atsimo-Atsinanana dia ahatsapana fa fitohizan' ny fetin' ny rano izany. Teo amin' ny Merina dia ankalazaina mandritra ny herinandro eo ny fandroana. Tsy ny mpanjaka ihany no mandro amin' io fotoana io fa ny vahoaka koa. Fankalazana ny taombaovao koa ny fandroana.
Nanomboka tamin' ny taona 1884 anefa dia novana ho amin' ny 22 Nôvambra, izay fitsingerenan' ny andro nahaterahan' ny mpanjakavavy Ranavalona III sy nametrahana azy ho mpanjaka, ny Fandroana. Rehefa rava ny Fanjakana Merina tamin' ny taona 1897 dia nosoloan' ny mpanjanatany frantsay ny andro 14 Jolay ny fandroana mba hankalazana ny fetim-pirenena frantsay.