Bandro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny bandro (Hapalemur alaotrensis) dia karazana gidro na varika. Izy io dia tsy misy afa-tsy amin' ny bararata ao amin' ny Farihy Alaotra sy ny manodidina, any avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Manodidina ny 40 sm ny halavany, mitovitovy ny rambony, ary miloko volondavenona mivolontsôkôlà. Izy io no hany varika mihinanana zozoro papirosy (Cyperus papyrus), sy bararata ary ahitra hafa. Nihena ny isan'io biby io noho ny fahapotehan' ny toeram-ponenany ary ny Vondrona Iraisam-pirenena Momba ny Fiarovana ny Zavaboary (anglisy: International Union for Conservation of Nature - IUCN) dia nanamarika azy ho "tandindomin-doza".