Andôra
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Andôra na ny Printsipaoten' i Andôra dia fanjakana ao Eorôpa Atsimo na Eorôpa Andrefana, ao amin’ ny faritr’ i Pyrenea, eo anelanelan’ i Frantsa sy i Espaina. Ny renivohiny dia i Andorra la Vella. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 467,63 km2 ny velaran-taniny ary miisa 85 082 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia +1. Iray amin' ireo firenena madinika indrindra eto an-tany i Andôra. Printsipaote i Andôra, ka ny printsy miara-mitondra dia ny filohan' ny Repoblika Frantsay sy ny evekan' i Urgel any Espaina. Nanomboka tamin' ny taona 1993 dia nanana ny lalàm-panorenany sy ny governemantany ary ny antenimierany manokana ity firtenena ity. Ahitana Andôràna (mihoatra kely ny 20 %) sy Espaniôla (mihoatra kely ny 40 %) sy Pôrtogey ary Frantsay ny mponina ao Andôra.
Firenena manan-karena i Andôra, ka ny loharanon-kareny amin' izany dia ny fizahàn-tany sy ny fandraharahana ara-bola.