Adama (Baiboly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Adama, araka ny Baiboly, dia ilay olona voalohany noforonin' Andriamanitra teto ambonin' ny tany. Izy sy ny vadiny atao hoe Eva no nitaranaka ny olombelona rehetra. Noforonina tamin' ny alalan' ny fotaka i Adama fa i Eva kosa tamin' ny taolan-tehezan' i Adama. Ny fahotan'izy mivady no niteraka ny fahasahiranana sy ny fahafatesan' ny olombelona.
Adama | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Adama | ||
Teraka | Tsy fantatra | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Ny fedrà momba an' i Adama sy Eva dia nivoatra tao amin' ny lovantsofin' ireo fivavahana abrahamika taty aoriana, ary ireo mpandalina Baiboly ankehitriny dia manadihady an' izany lalina. Miovaova ny fivoasana sy ny finoana momba an' i Adama sy Eva ary ny tantara momba azy ireo arakaraka ny karazam-pivavahana sy ny sampana ao anatiny